Orinasa lehibe efatra momba ny fitaterana an-dranomasina no efa nanambara fa hampiato ny fivezivezena amin'ny andilan-dranomasin'ny Ranomasina Mena izay tena ilaina amin'ny varotra manerantany noho ny fanafihana ny fitaterana an-dranomasina.
Hisy fiantraikany amin'ny varotra eo amin'i Shina sy Eoropa ny tsy fahavononan'ireo orinasa mpitatitra sambo maneran-tany handalo ny Lakandranon'i Suez vao haingana, ary hisy fiantraikany amin'ny fandaniana amin'ny fampandehanan-draharahan'ny andaniny roa izany, hoy ireo manam-pahaizana sy mpitantana orinasa ny Talata.
Noho ny ahiahy momba ny fiarovana mifandraika amin'ny asa fitaterana an-dranomasina ataon'izy ireo ao amin'ny faritr'ny Ranomasina Mena, izay lalana fototra hidirana sy hivoahana ny Lakandranon'i Suez, dia nanambara vao haingana ny fampiatoana ny dia an-dranomasina ao amin'io faritra io miaraka amin'ny fanitsiana ny politikan'ny fiantohana an-dranomasina ireo vondrona mpitatitra an-dranomasina maromaro, toa ny Maersk Line any Danemark, ny Hapag-Lloyd AG any Alemaina ary ny CMA CGM SA any Frantsa.
Rehefa misoroka ny Lakandranon'i Suez ireo sambo mpitondra entana fa mandeha manodidina ny tendrony atsimo andrefan'i Afrika — ny Cap de Bonne-Espérance — dia midika izany fa mitombo ny saran-dalana, maharitra kokoa ny faharetan'ny fandefasana entana ary mifarana amin'izany ny fahatarana amin'ny fanaterana.
Noho ny filàna ny fihodidinana ny Cap de Bonne-Espérance ho an'ny entana mankany Eoropa sy Mediteraneana, dia nohalavaina 10 andro ny salan'isa amin'ny dia tokana mankany Eoropa amin'izao fotoana izao. Mandritra izany fotoana izany, dia ampitomboina bebe kokoa ny fotoana lany amin'ny dia mankany Mediteraneana, mahatratra 17 ka hatramin'ny 18 andro fanampiny.
Fotoana fandefasana: 29 Desambra 2023